Hanandratra anao ho firenena masina ho Azy Jehovah, araka izay nianianany taminao
Mofonaina anio:
Alahady, faha 19 Aprily 2026
Deoteronomia 28,7 - 10
7 Hatolotr'i Jehovah ho resy eo anoloanao ny fahavalonao, izay mitsangana hiady aminao, ka lalana iray no hivoahany hanatona anao, fa lalana fito kosa no handosirany hiala eo anoloanao.
8 Handidy ny fitahiany ho aminao Jehovah amin'ny fitoeram-barinao sy izay rehetra ataon'ny tananao, ka hitahy anao Izy any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao.
9 Hanandratra anao ho firenena masina ho Azy Jehovah, araka izay nianianany taminao, raha mitandrina ny didin'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mandeha amin'ny lalany.
10 Dia ho hitan'ny firenena rehetra ambonin'ny tany fa ny anaran'i Jehovah no antsoina aminao, dia hatahotra anao izy.