FJKM Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Ny FJKM dia fiangonana kristiana protestanta vokatry ny fitambaran’ny fikambanana misiônera telo tany am-boalohany : ny London Missionary Society, ny Friends’ Foreign Mission Association ary ny Mission Protestante Française. Ny 18 Aogositra 1968 no niforona tamin’ny fomba ofisialy ny FJKM tany Toamasina.