Raha miahiahy ianao :
« Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho; aza miherikerika foana amin’ny fahatahorana, fa Izaho no Andriamanitrao; hampahery anao Aho, eny, hanampy anao Aho, eny, hanohana anao amin’ny tanan’ny fahamarinako. »

Isaia 41:10

Raha tojo tsy fahasalamana :
« …fa Izaho Jehovah no Mpanasitrana anao. »
« Izy manome hery ny reraka, ary izay tsy manan-kery dia ampitomboiny hery be… Fa izay miandry an’i Jehovah dia hahazo hery vaovao; elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, saingy tsy ho reraka; handeha izy, saingy tsy ho fanina. »

Eksodosy 15:26 [ Isaia 40:29, 31

Raha malahelo ianao :
« Akaikin’izay manana fo torotoro Jehovah ary mamonjy izay manana fanahy mangorakoraka. »
« Ary hanafotra ny ranomaso rehetra amin’ny masony Izy; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana intsony; fa efa lasa ny zavatra taloha. »

Apokalypsy 21:4 | Salamo 34:18