Mandeha mahitsy izay matahotra an’i Jehovah; Fa mivily lalana kosa izay maniratsira Azy.
Mofonaina anio:
Alakamisy, faha 16 Aprily 2026
Ohabolana 14,1 - 3
1 Ny vehivavy hendry* dia samy manao ny tranony; Fa ny adala** kosa mandrava ny tranony amin'ny tànany.[*Heb. fahendren'ny vehivavy][**Heb. fahadalana]
2 Mandeha mahitsy izay matahotra an'i Jehovah; Fa mivily lalana kosa izay maniratsira Azy.
3 Eo am-bavan'ny adala misy tsorakazon'ny fiavonavonana; Fa ny molotry ny hendry miaro ny tenany.