Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin’i Kristy Jesosy koa
Mofonaina anio:
Alatsinainy, faha 13 Aprily 2026
Filipiana 2,5 - 8
5 Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa,
6 Izay, na dia nanana ny endrik'Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra,
7 fa nofoanany ny tenany tamin'ny nakany ny endriky ny mpanompo sy nahatongavany ho manam-pitoviana amin'ny olona;
8 ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana.