Mijere Ahy, dia ho voavonjy ianareo, ry vazan-tany rehetra! Fa Izaho no Andriamanitra…
Mofonaina anio:
Asabotsy, faha 11 Aprily 2026
Isaia 45,22 - 25
22 Mijere Ahy, dia ho voavonjy ianareo, ry vazan-tany rehetra! Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa.
23 Ny tenako no nianianako, nisy teny efa naloaky ny vavako tamin'ny fahamarinana* ka tsy hitsoaka: Izaho no handohalehan'ny lohalika rehetra, sy hianianan'ny lela rehetra hoe*: [Na: Nisy teny naloaky ny vavan'ny fahamarinana]
24 Ao amin'i Jehovah ihany no misy fahamarinana be sy hery, ka izy ihany no hohatonin'ny olona, ary ho menatra izay rehetra tezitra aminy.
25 Ao amin'i Jehovah no hanamarinana ny taranak'Isiraely rehetra sy hananany rehareha.