Lehibe ny voninahiny amin’ny famonjenao; Laza sy voninahitra no nataonao taminy.

Mofonaina anio: Zoma, faha 17 Aprily 2026
Salamo 21,1 - 7
1 [Fisaorana atao rehefa miverina avy any an-tafika ny mpanjaka] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, ny herinao no hifalian'ny mpanjaka; ary endrey ny haben'ny hiravoravoany amin'ny famonjenao! 2 Ny nirin'ny fony dia nomenao azy, ary ny nangatahin'ny molony tsy mba nolavinao. 3 Fa notsenainao fitahiana soa izy; teo an-dohany nasianao satro-boninahitra tena volamena. 4 Aina no nangatahiny taminao, dia nomenao azy izany, dia andro lava mandrakizay doria. 5 Lehibe ny voninahiny amin'ny famonjenao; Laza sy voninahitra no nataonao taminy. 6 Fa nataonao ho fitahiana mandrakizay izy; ampifalinao indrindra amin'ny tavanao izy. 7 Fa ny mpanjaka matoky an'i Jehovah, ary noho ny famindram-pon'ny Avo Indrindra dia tsy hangozohozo izy.

Mofon'aina teo aloha