Raha mirehareha amiko kosa ianareo ka mampiaiky ahy ho nanao izay mahamenatra…

Mofonaina anio: Alahady, faha 05 Aprily 2026
Joba 19,5 - 10
5 Raha mirehareha amiko kosa ianareo ka mampiaiky ahy ho nanao izay mahamenatra, 6 Dia aoka ho fantatrareo fa Andriamanitra no efa nampitanondrika ahy ka efa naningotra ahy tamin'ny fandrika haratony. 7 Indro, miantso mafy aho hoe: Loza! nefa tsy misy mamaly ahy; Mitaraina aho, nefa tsy mahita rariny. 8 Ny lalako dia nofefeny, ka tsy afa-mandroso aho; ary nasiany maizina teo amin'ny lalana alehako. 9 Ny voninahitro nalany tamiko, ary nesoriny ny satro-boninahitra teo an-dohako. 10 Efa nandrava ahy manodidina Izy, ka efa ho faty aho; Ary efa nofongorany tahaka ny hazo ny fanantenako.

Mofon'aina teo aloha