Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina
Mofonaina anio:
Asabotsy, faha 04 Aprily 2026
1 Petera 3,18 - 21
18 Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin'Andriamanitra, ka novonoina tamin'ny nofo, fa novelomina tamin'ny fanahy,
19 izay nandehanany sy nitoriany teny tamin'ireo fanahy tao an-tranomaizina,
20 dia izay tsy nanaiky fahiny, fony niandry ny fahari-pon'Andriamanitra tamin'ny andron'i Noa, raha mbola namboarina ny sambo-fiara, izay nidiran'ny olona vitsy, dia izy valo mianaka, ka dia namonjena azy ny rano,
21 izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa, izay tenan'io tandindona io,- tsy ny fanesorana ny fahalotoan'ny nofo anefa, fa ny fitadiavana* ny fieritreretana tsara eo anatrehan**'Andriamanitra***, amin'ny nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty. [* Na: fanontanian'] [** Na: amin'] [*** Na: ny fitadiavan'ny fieritreretana tsara an'Andriamanitra]