Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana

Mofonaina anio: Alahady, faha 26 Aprily 2026
Apokalypsy 2,24 - 29
24 Fa aminareo izay sisa any Tyatira, dia izay tsy manana izany fampianarana izany sady tsy mba mahalala ny ataon'ireo hoe "sain-dalin'i Satana", dia izao no lazaiko: tsy hovesarako entana hafa ianareo; 25 kanefa izay anananareo dia tano mafy mandra-pihaviko. 26 Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin'ny farany dia homeko fahefana amin'ny jentilisa; 27 ary hiandry azy amin'ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny fanorotoro vilany tany, dia araka izay efa noraisiko tamin'ny Raiko. 28 Ary homeko azy ny kintana fitarika andro. 29 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. [* Gr. eklesia]

Mofon'aina teo aloha