Ry masoandro, mijanòna eo ambonin’i Gibeona; Ary, ianao kosa, ry volana, any an-dohasahan’i Aialona.

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 25 Aprily 2026
Josoa 10,12 - 15
12 Ary tamin'izany Josoa dia niteny tamin'i Jehovah tamin'ny andro nanoloran'i Jehovah ny Amorita teo anoloan'ny Zanak'Isiraely ka nanao teo imason'ny Zanak'Isiraely hoe: Ry masoandro, mijanòna* eo ambonin'i Gibeona; Ary, ianao kosa, ry volana, any an-dohasahan'i Aialona.[Heb. mangina] 13 Dia nijanona ny masoandro, ary nijanona* koa ny volana, Mandra-pamalin'ny olona ny fahavalony. Tsy efa voasoratra eo amin'ny Bokin'i Jasara** va izany? Dia nijanona teo afovoan'ny lanitra ny masoandro ka tsy nandroso hilentika tokony ho indray andro maninjitra. [*Heb. mangina][**Jasara = Ilay mahitsy] 14 Ary tsy nisy andro tahaka izany, na tany alohany, na tato aoriany, izay nihainoan'i Jehovah ny feon'olona; fa Jehovah niady ho an'ny Isiraely. 15 Ary Josoa sy ny Isiraely rehetra dia niverina nankany an-toby tany Gilgala.

Mofon'aina teo aloha