Ny mpanompo miroso amin’ny fandinihan-tena.
Mofonaina anio:
Alarobia, faha 25 Martsa 2026
Salamo 51,1 - 12
1 [Fifonan'ny manan-keloka mba hahafahan'ny helony sy hodian'ny fifaliany amin'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida, fony Natana mpaminany nankao aminy rehefa naka an'i Batseba izy. Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, araka ny fahasoavanao; araka ny haben'ny fiantranao vonoy ny fahadisoako.
2 Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana.
3 Fa tsaroako ny fahadisoako, ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako.
4 Taminao dia taminao ihany no nanotako, ary izay ratsy eo imasonao no efa nataoko, mba ho marina Hianao, raha miteny, ary tsy hanan-tsiny Hianao, raha mitsara.
5 Indro, tamin'ny heloka no niterahana ahy, ary tamin'ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko.
6 Indro, fahamarinana ao am-po no sitrakao; ary fahendrena ao amin'ny miafina no ampahafantarinao ahy.
7 Diovy hysopa aho ho afa-pahotana, dia hadio; sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka*.[Heb: toy ny oram-panala]
8 Ampandreneso fifaliana sy faharavoravoana aho, hifalian'ny taolana izay voavakivakinao.
9 Afeno ny tavanao ny fahotako ary vonoy ny heloko rehetra.
10 Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko.
11 Aza manary ahy hiala eo anatrehanao; ary aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko.
12 Ampodio amiko ny fifaliana amin'ny famonjenao; ary tohàny fanahy mazoto aho.