Asan’Andriamanitra ny zavatra rehetra mampirindra ny fianana
Mofonaina anio:
Alatsinainy, faha 23 Febroary 2026
Mpitoriteny 11,4 - 8
4 Izay fatra-pihevitra ny rivotra tsy hamafy, ary izay manahy* ny rahona tsy hijinja.[Heb. mijery]
5 Toy ny tsy ahafantaranao ny amin'ny alehan'ny rivotra, na ny amin'ny fitombon'ny taolana ao an-kibon'izay manan'anaka, dia toy izany no tsy ahafantaranao ny asan'Andriamanitra, Mpanao ny zavatra rehetra.
6 Amin'ny maraina dia afafazo ny voanao, ary amin'ny hariva dia aza atsahatra ny tananao; fa tsy fantatrao izay ho vanona, na ny teo aloha, na ny teo aoriana, na angamba samy ho vanona avokoa izy roa tonta.
7 Mamy tokoa ny mazava, ary mahafinaritra ny maso ny mijery ny masoandro;
8 fa na dia ela velona aza ny olona, dia aoka ho faly amin'ny androny rehetra izy ka hahatsiaro ny andro maizina, fa ho maro ireny: izay rehetra ho avy dia zava-poana.