Alahadin’ny Sampana Dorkasy | 12 Aprily 2026
Ny vehivavy hendry dia samy manao ny tranony; Fa ny adala kosa mandrava ny tranony amin’ny tanany. Mandeha mahitsy izay matahotra an’i Jehovah; Fa mivily lalana kosa izay maniratsira Azy. — Ohabolana 14:1-2
Tontosa soa aman-tsara ny fotoam-pivavahana fankalazana ny Alahadin’ny Sampana Dorkasy manerana ny FJKM ny 12 aprily 2026 lasa teo.
Izany dia notarihin’i ANDRIAMAROLAFY Valimbavaka ary ny nitondra ny hafatr’Andriamanitra dia i RABESON Hery Andrianaivo.
Indro sary vitsivitsy entina itaterana izany.
Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra!







