Fifidianana Diakona | 15 Martsa 2026

Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ny vokatrareo, mba homen’ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny anarako na inona na inona. — Jaona 15 : 16

Tanteraka soa aman-tsara ny alahady 15 Martsa 2026 lasa teo ny fifidianana Diakona teto amin’ny Fitandremana. Izany dia notarihin’i Filohan’ny Komity Fifidianana RAKOTOMANANA Fy sy ireo birao Komity fifidianana. Diakona lehilahy efatra sy Diakona vehivavy dimy no lany tamin’izany.

Indro sary vitsivitsy entina itaterana izany fifidianana izany.
Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra!