Akon’ny Volana Septambra 2026

Isaorana an’Andriamanitra lehibe fa tontosa soa aman-tsara ny Alahady 20 septambra 2026 lasa teo ny fitsangatsanganana izay notanterahan’ny fitandremana Nazareta Miray Brest tany Bois de Kerhoual Guilers.

Tanteraka soa aman-tsara ny Alahady 27 septambra 2026 ihany koa, ny fanompoam-pivavahana niombonan’ny fitandremana rehetra teto Grand Ouest (Nantes Fanantenana, Rennes-Laval sy Nazareta Miray Brest). Izany dia tsy tontosa raha tsy nisy ny fanoloran-tenan’ireto mpanompon’Andriamanitra voatanisa manaraka ireto :

  • Ramatoa RANDRIAMAHAZAKA Selasoa Mpitandrina nitarika ny fotoana sy nitondra ny hafatr’Andriamanitra
  • Ny Sampana Tanora Kristiana, ny Diakona rehetra nandray anjara ary ny Sampana Dorkasy
  • Ny mpitendry, mpandrindra sy mpikarakara ny zava-maneno rehetra
  • Ireo mpiangona rehetra tonga niara-nivavaka

Izany fotoana izany moa dia narahana fiaraha-misakafo sy tolakandrom-pifaliana niarahana tamin’ny Sampana Tanora Kristiana.
Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra.