Tatitry ny Fanokanana Diakona andiany Santatra

Tontosa soa aman-tsara ny alahady 24 mey 2026 lasa teo ny fanokanana diakona andiany voalohany izay misalotra ny anarana hoe « Andiany Santatra ». Io andro io ihany koa no nankalazana ny andro Pentekosta 2026 manerana ny tany.

Ny fotoana dia notarihin’Andriamatoa RABESON Herinaivo ary ny nitondra ny hafatra sy nanatanteraka ny fanokanana kosa dia ny Ray amandreny ANDRIANTSILAVINA Nofy Mpitandrina.

Tontosa tamin’io andro io ihany koa ny fanaovam-belona sy famangiana ny Mpitandrina mpiahy ny fitandremana Nazareta Miray Brest, raha toa ka nitsahatra tamin’io andro io ny asany teo anivon’ny fitandremana amin’ny mahaMpitandrina Mpiahy azy.

Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra!!