Asan’ny Apostoly 9 : 36 | « Ary tany Jopa nisy vehivavy mpianatra atao hoe Tabita, izany hoe, raha adika, Dorkasy; ary be ny asa soa sy ny fiantrana izay nataon’izany vehivavy izany. »

Ny Sampana Dorkasy :
Ny sampana Dorkasy dia sampana velona iray ao amin’ny FJKM Nazareta Miray Brest.
Ny anarana hoe « Dorkasy » dia nalaina avy amin’ny tantaran’ny vehivavy iray antsoina hoe Tabita (Dorkasy amin’ny teny grika) ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly 9 : 36-42. Malaza ho vehivavy « feno asa soa sy fiantrana » izy, ary nanjaitra akanjo ho an’ireo mpitondratena sy ny mahantra. Ka noho izany, ny Sampana Dorkasy dia natao indrindra ho an’ny vehivavy.
Ny tanjona dia fototry ny sampana dia ny :
- Fitoriana ny Filazantsara amin’ny alalan’ny asa sy ny teny.
- Asa fiantrana: Famangiana ny marary, fanampiana ny sahirana, ary fiahiana ny kamboty sy ny mpitondratena.
- Fitaizana ny maha-vehivavy: Fampianarana momba ny tokantrano, ny fitaizana ny ankizy, ary ny fahaiza-manao isan-karazany.
Ireo mpikambana mandrafitra ny Biraon’ny Sampana Dorkasy :
Filoha
Filoha lefitra
Mpitan-tsoratra
Mpitam-bola
Mpitam-bola lefitra
Mpanolo-tsaina
Mpanolo-tsaina

