Raha reraka ianao :
Matio 11:28 | Isaia 40:31
« Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. »
« Fa izay miandry an’i Jehovah dia hahazo hery vaovao; elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, saingy tsy ho reraka; handeha izy, saingy tsy ho fanina. »
Raha miahiahy ianao :
Isaia 41:10
« Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho; aza miherikerika foana amin’ny fahatahorana, fa Izaho no Andriamanitrao; hampahery anao Aho, eny, hanampy anao Aho, eny, hanohana anao amin’ny tanan’ny fahamarinako. »
Raha tojo fahoriana :
Salamo 23:4
« Eny, na dia mandeha namakivaky ny lohasahan’ny aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny ratsy aho, fa Hianao no momba ahy; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mampionona ahy. »
Raha tojo tsy fahasalamana :
Eksodosy 15:26 [ Isaia 40:29, 31
« …fa Izaho Jehovah no Mpanasitrana anao. »
« Izy manome hery ny reraka, ary izay tsy manan-kery dia ampitomboiny hery be… Fa izay miandry an’i Jehovah dia hahazo hery vaovao; elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, saingy tsy ho reraka; handeha izy, saingy tsy ho fanina. »
Raha tojo fahasahiranana sy ady eo amin’ny fiainana :
Romana 8:31, 37 | Eksodosy 14:14
« …Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika? « Kanefa amin’izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika. »
« Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina. »
Raha malahelo ianao :
Apokalypsy 21:4 | Salamo 34:18
« Akaikin’izay manana fo torotoro Jehovah ary mamonjy izay manana fanahy mangorakoraka. »
« Ary hanafotra ny ranomaso rehetra amin’ny masony Izy; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana intsony; fa efa lasa ny zavatra taloha. »