Filipiana 2 : 2 | « … dia tanteraho ny fifaliako, mba hiraisanareo saina, miray fitiavana, miray fo, miray hevitra. »

Teny Faneva FJKM Nazareta Miray Brest
« Fa izay miray amin’ny Tompo kosa dia Fanahy iray Aminy. » I Kor 6:17
Sary famantarana (logo) ny FJKM Nazareta Miray Brest

Hira Faneva FJKM Nazareta Miray Brest
1.Haravoana sy hafaliana fa nahatratra ny anio
Andro lehibe tokoa izao
Tsy ny hery na sainay no nahatoy izao anay
Tsy ny tanjakay na fahaizanay
Fampiraisana avy amin’ny Fanahy Masinao
Nampijoro izao fiangonanao izao
Fiverenana : Ka handeha hitory amin’izao tontolo izao
Handeha hanao ny asanao
Handeha tsy hihemotra intsony izahay
Ho mendrika ny hoe « Nazareta Miray »
2.Fa Ianao Jesoa no naniraka anay mba handeha
Hitory ny teninao re
Ka manolo-tena tsy handa ny didinao izahay
Tsy hikely aina hanefa ny anjaranay
Satria ny herinao manohana anay, tsy hay tohaina
Izay mampiray fo sy mampiray saina
Fiverenana (bis)
Tonony sy feony : Tia RAZAFINDRABE – oktobra 2025
Raha te handalina kokoa ny FJKM Nazareta Mira Brest, jereo :