I Timoty 3 : 13 | « Fa izay efa mahavatra tsara ny asan’ny diakona dia mahazo toerana tsara ho an’ny tenany sy fahasahiana be amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesoa. »

Ny sampana Diakona sy Loholona :
Ny Diakona dia Mpandray ny Fanasan’ny Tompo lehilahy sy vehivavy voafidin’ny Fivorian’ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo hiara-miasa amin’ny Mpitandrina eo amin’ny fanolokoloana ny aim-panahin’ny Fiangonana sy ny fiheverana raharaha ary ny fandavorarian’ny Fiangonana ny adidiny rehetra. Mpandray ny Fanasan’ny Tompo voasoratra anarana ao amin’ny Fiangonana no azo fidina sy afaka mifidy Diakona. (Extrait Foto-dalana And. 53).
Ireto avy ny mpikambana mandrafitra ny Sampana Diakona sy Loholona :
Diakona lehilahy
- RABESON Hery
- RAHAJANISAINANA Tsioritafita
- RAKOTOARIMINO Lynch
- RAKOTOMANANA Fy
Diakona vehivavy
- ANDRIAMAROLAFY Valimbavaka
- RABEMANANTSOA Fanja
- RAKOTOARIMINO Sherridan
- RAZAFINDRABE Tia
- VAVISOA Charlotte
Izy sivy mianadahy mianaka ireo no hiara-hiasa amin’ny Mpitandrina mandritran’ny taom-piasana 2026-2029 eo anivon’ny fitandremana Nazareta Miray Brest.
